MATOA NAVELA HISY - Ainampaniry AnjaraNivo
MATOA NAVELA HISY
Matoa navela hisy izany fijalian'ny fo
Dia dingana hanitarana ny hery sy ny tanjany,
Entina hamantarana sy hitsapĂ na koa
Hoe "ngeza mankadiry ve ny halalin'ny fitiavany."
Matoa navela hisy fo mpamitaka olon-tiana
Dia sedra fanofanana ny fo mitia be loatra
Hahaizany hizaka sy hizioga fijaliana
Noho ireo sompatsompatra sy sangy tafahoatra.
Matoa navela hisy izany atao hoe "mampirafy"
Dia porofo manambara fa mahery ny fitia
Saingy olon-kendry kosa izay mahatsapa f'efa ampy
Ny olon-tokana voafidiny amin'ity tantara ity.
Matoa navela hisy ny voafitaka matetika
Rehefa mba mitia ka te hanova ny tantarany
Tsy akory hoe izy ireny no voatokana tsy ho tretrika
Fa kosa ilay notiaviny no mbola tsy anjarany.
Ainampaniry Anjara Nivo
Mombamomba
Mpanoratra : Ainampaniry AnjaraNivo

Nampiditra : Ainampaniry Anjara Nivo
Daty : 11/08/2021
Mpamangy : 376
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
FIFAMELĂ€NANy...
REHEFA TSY ANJARA
HAY NY FITIA
NY FO
MARARY NY AINA
MAHAIZA MAMAKY
NIOVA
SAINO KELY
NISARAKA IANAREO