NIOVA (AnjaraNivo)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NIOVATsy rava fa niova ny dikam-pitia.
Tsy foana, fa kosa nivadika rasa.
Dia lasa anabaviko ianao fa satria:
Tiako taloha, efa lasa any an-kafa.
Topazo eritreritra itý olon-tiana,
Raha misy segondra ahatsiarovanao ahy;
Araho sento kely ao am-ponao mangina,
Na aza olon-tiana efa lasa anadahy!
Ainampaniry Anjara Nivo
--------
Rohy:
Mpakafy:
Ainampaniry Anjara Nivo
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : AnjaraNivoNampiditra : Ainampaniry Anjara Nivo
Daty : 30/10/2021 08:18