NITSIMOKA - Ainampaniry AnjaraNivo
Azo vakiana?
NITSIMOKA
Nitsimoka mora ny taho-manify
Sy fanja tsy tody amin'ny tanjony ho voa
Fa ny eri-nanondraka: indreny nidify
Ny ho avin'ny voary mba ho inona moa?
Tsy ho inona akory f'ho mora halazo
Ho maina tanteraka aoriana kely
Tsy ho ela famokatra fa voninkazo
Miendrika zaza tsy manana reny.
Izany ny sarin'ny fahakambotiana
Rehefa tarafina anaty natiora
Alaina amin'ny endri-tantara mahalianan'
Ny taho-manify nitsimoka mora.
Ainampaniry Anjara Nivo
Hevitra mandeha
hery (27/08/2021 18:19:19)
Mombamomba
Mpanoratra : Ainampaniry AnjaraNivo

Nampiditra : Ainampaniry Anjara Nivo
Daty : 24/08/2021
Mpamangy : 305
Mankafy : 3
Tononkalo hafa
FIFAMELĂ€NANy...
REHEFA TSY ANJARA
HAY NY FITIA
NY FO
MARARY NY AINA
MAHAIZA MAMAKY
NIOVA
SAINO KELY
NISARAKA IANAREO