You are here: home > Vetso

TSY IZAY TARATASY - Ainampaniry Anjara Nivo

Azo vakiana?

TSY IZAY TARATASY

Tsy izay taratasy galona aman'hetsy
No antsoina ho fahaizana sy fahalalàna
F'izay tetik'ady nahafaha-nandresy
Ny fandrika teny amin'ny lala-nombàna.

Tsy izay taratasy nosandaina vidy
No ireharehàna ho hajan'ny nofo,
Fa ny famoronana fanalahidy
Ahafaha-manàla ny zioga ho porofo.

Ainampaniry Anjara Nivo