NY AHY (ANDRIANAIVO PAUL )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY AHY

Raha ny anarako no tianao ho heno,
Dia anarana tsotra sy tsara famemo,
Anarana tsy hain'ny molotra sima,
Tsy dia tsara nefa mahaliana.

Raha ny tantarako @ ankapobeny,
Dia feno sento ombieniobieny,
Anjakan'alahelo sy tomany,
Raha ny fianako eto an-tany.

Raha ny tantarako dia lava loatra,
Fa mahonena sy mampihaotra,
Nefa raha ny zava-misy no jerehina,
Dia ditra miampy fahendrena.

Tovolahy tsy dia tsara bika,
Nefa mazana mirana tena sariaka,
Tsy dia tsara tarehy nefa tia mahome,
Sady avy eo tsia dia mahay be.

Mety hianarako ny ditra,
Mety hiampy fahendrena,
Samy toetra tsy mba ho ritra,
@ androm-piainako ho sisa.
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana - manokana - tantara - Alahelo
931 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ANDRIANAIVO PAUL
Nampiditra : andrinaivopaul2016
Daty : 02/11/2016 00:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143