You are here: home > Vetso

Aloka fitia - andriary

Azo vakiana?

Misy aloka fitia,
manelanelana antsika,
Antsoina tsy mety tonga,
Roahana tsy mety dify!!!
Mitondra fotofoto,
Ao am-po tsy mety ritra!
Losirana vao may manantona,
Andrasana tsy sahy misonga.
Iambohona sahy manaloka,
Atrehina mitampify...

Fa fitia saro-kenatra
Nefa te-hikopa-kelatra!!!
Vonoina tsy mety maty,
Ventsoina tsy tafa anaty!

andriary

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

Malalason (05/10/2005 15:30:17)

zà ary sô de mbô tratran'izany, tena manaloka tokoa ny fitia rehefa injay.....
Malalason mahafinaritra e!

NyKanto (12/10/2005 14:20:30)

Ny Fitia voninkazo ihany, koa andraso f'indray andro any mbola hivelatra ho kanton'ny tany, tsy hanaloka hampitomany...

Tsetsatsetra tsy aritra iny.

Ny Kanto

tia2005 (25/10/2005 13:18:42)

indrisy loatra wa!!

Hametraka hevitra

Midira aloha