You are here: home > Vetso

Ampy ahy - andriary

Ataoko ampy ahy ny tsikinao miserana
hambabony fitiavako ho safomorina an\'erana.
Hampionona ty foko hitahiry lay fitia
Ny hamboraka tsy ilaiko,fa efa ampy ho  mpankafy!


Ataoko ampy ahy,ny topi-maso kely fotsiny
Nampiventso ny ao am-poko,nanasitrana ny rofiny
Ny fahitako anao mandalo, na indray mitopy monja
dia mambabo manontolo, \'zany ventsoko manonja

Ataoko ampy ahy,ny momba anao miafina amiko
Ny tontolo am-ponao ao,tsy ho katsahin\'ny fanahiko
Ny anaranao tsy fantatro,tsy ilaiko ho fantarina
fa misy ianao dia ampy izay,ampy ho ahy marimarina!

Ampy ahy ny tombatomban\'endrikao toa mitory
Ny hakanton\'ny Mpamorona!Namoha ty foko zay natory
Ampy ahy ny hasambarana mamangy anao isan\'andro
Hasambarako ihany koa!toy ny lokon\'ny masoandro!

  andriary

Hevitra mandeha

yonikafopl (05/09/2004 23:11:40)

hummmmmm dia tena ampy anao tokoa ve ireo andriary???

NyKanto (06/09/2004 10:15:06)

Aza atao ampy ireo fa tonga dia rombaho haramin'ny fony ... raha tianao ny ho tiany.

Ny Kanto.

mampikanto (06/09/2004 16:36:29)

Rehefa tia ka tena tia tokoa d tsy maintsy hoe zay e!

Mahereza e!
Kanto

crrlanto (07/09/2004 23:56:28)

Mpanoratra mahay misambotra lay hankanton,ny ntontolo n,ny teny malagasy maneho hevitra avy ao am_po mba hanomé lay tsara indd avy aminy .Ampy, teny tokana fa mafonja . Tohizo

Hametraka hevitra

Midira aloha