Angamba (andriary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Reo tonokalo nataonao an tsoratra
Reo an-dalan-teny nataonao indray mitoraka
Moa tsy ventso ato anatiko,no tarafinao miserana?
Dia ny foko feno sento ,lavitry ny fanaperana!


Reo andalan-teny nataonao tsara loko
tsy natao tefitefy tsy natao peta-toko
toa nataonao ho ahy,tantarainao ny amiko
dia ny rakitry ny elako:ny ngidiko ny mamiko

Izaho tsy fantarao,tsy mampaninona ahy akory
Fa ny asa soratrao ho vetsoiko raha matory
No satriko ifandraisantsika!ka tsy azoko atakalo
satria izaho sy ianao mpinamana an-tonokalo

andriary
31.08.04 11h45
--------
Rohy:
1050 3
Hevitra mandeha
nikopol ( 31/08/2004 10:14)
Masaka
nyeja ( 05/09/2004 08:50)
misaotra ry andriary a tsara be ilay tononkalo nosoratanao!
mankasitraka anao hatrany ny namanao Ny Eja
mampikanto ( 08/09/2004 07:45)
Andry !
Manhoana indray , ten amarina tokoa fa ny fifaneraserana an-tonokalo eto dia mety hampianamana e!

Mahafinaritra ny fanadratana avo ny talenta rehetra e! sa tsy zany ry Ny Eja?

Kanto
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : andriary
Nampiditra : andriary
Daty : 31/08/2004 09:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108