You are here: home > Vetso

Angamba ....(tohiny) - andriary

Atolotro manokana ho an'i Nyeja !


Ireo tonokalo noraketinao an-tsoratra
Ireo an-dalan teny nataonao indray mitoraka
Dia tarafinao ny amiko
Dia ireo tsiambaratelo mamiko

Ireo angola teny nataonao tsara loko
moa tsy sary tiako indrindra lay miorina ato am-poko?
saha manim bonikazo,mandaingo sy mamelana
Angamba raha omena ahy, dia izao no fanaperana!

Ireo tonokalo, noraketinao an-tsoratra!
dia ireo angolam piainako no asehonao ho tsoraka!
Soraty ka soraty,ka ho vinaky eo daholo
Ny amiko rehetra...ankafizo manontolo

andriary

Hametraka hevitra

Midira aloha