Angamba ....(tohiny) (andriary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Atolotro manokana ho an'i Nyeja !


Ireo tonokalo noraketinao an-tsoratra
Ireo an-dalan teny nataonao indray mitoraka
Dia tarafinao ny amiko
Dia ireo tsiambaratelo mamiko

Ireo angola teny nataonao tsara loko
moa tsy sary tiako indrindra lay miorina ato am-poko?
saha manim bonikazo,mandaingo sy mamelana
Angamba raha omena ahy, dia izao no fanaperana!

Ireo tonokalo, noraketinao an-tsoratra!
dia ireo angolam piainako no asehonao ho tsoraka!
Soraty ka soraty,ka ho vinaky eo daholo
Ny amiko rehetra...ankafizo manontolo

andriary
--------
Rohy:
926 1
Mpakafy: andriary
Hevitra mandeha
nyeja ( 05/09/2004 13:30)
tsara b ilay tononkalo ry andriary, mankasitraka tanteraka anao ny tenako dia mirary anao ny soa rehetra aho !
faly aho milaza fa dia ho hitanao tsy ho ela ao anaty tranokala ofisialin'i Ny Eja ity tononkalo nosoratanao ho ahy ity .
Ny Eja
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : andriary
Nampiditra : andriary
Daty : 05/09/2004 09:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014