You are here: home > Vetso

Fanahy manina - andriary

Azo vakiana?

Ny rian-dranon'erika
Nanoina ny sarin-dasa
Miendrikendrik'aloka
Mivolom-batolalaka!
Natosiky ny Lohataona
Te-hampihaona
Ny Fanahy manina
Ny lasa
Voasasa!!!

Ny tsiaro nitadidy
Nentin''itsy vonikazo
Dia nisy kiaka nanentso
Nisy hira nokaloina
Toa sarotra hiraina
Tsy niloaka imolotra
Fa nambabo ny fanahy
Na dia laon'ny saron'andro
Tsy voazavan'ny masoandro!

Nangina ny fanahy!
Naminany ny tantara
Tinosiky ny alin-taona
Efa any am-para-tazana
Sarotra tambazana
Hitoetra eny foana.
Ny tsiaro sisa afarana
Hitondra sary famantarana!
...

andriary




Hevitra mandeha

nyeja (21/03/2005 08:32:19)

lalina dia lalina ny sangan'asan'ity namako ity ry zareo , ary dia satria moa ny tena mpanoratra dia nanetsika ny fo amam-panahiko ilay izy ka nahatonaga ny aingam-panahy .

proost (23/03/2005 13:55:08)

na hitady aza aho
tsy ahita toa anao
hitako ianao
lafatra loatra

proost

Malalason (31/03/2005 16:53:11)

mahafinaritra! raha izay no teny lafatra mety ahalaza ny tiako ho volanina, Fanahy Manina? sambatra ihany isika fa mbola manana kanto tena kanto fa tsy mba kanto amboarina. mety fantatrao ve hoe hatraiza ny halalin'ny zavatra tian'ny mpanoratra lazaina.
mbola hotohy
Malalason ihany r'se a!

Malalason (31/03/2005 16:56:05)

sarotra ampiononina izany fanahy manina izany mety hisy ve fanavodiny? Valio ry namako isany
Malalason

SOBIKA (08/04/2005 16:47:01)

soa fa nisy ilay aloka niserana
nampifoha ny aty fo
nampitsaotra ny atifanahy
nahafafa ireo ady mafy izay nanorooro
ka zary gina sy sina ireo toloko izay nandoro.

Andry mankasitraka!

So

andriary (29/08/2005 11:37:58)

misaotra daholo

Hametraka hevitra

Midira aloha