Fitia tsy misy olakolaka! (andriary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ny elanelan-tany
manasaraka antsika
no manakana ty foko
hanambara ny ao anatiny
sy ventso mba harantiny!
hivetsoiny ho anao!

Tsy ny anaran-tany koa
tsy mitovy onenan-tsika
no hampisy hakiviana
Fa ny any anatiko any
misy feo manontany
tiany ho henonao irery

Tsy hoe ianao tsy fantatro
Na izaho tsy hainao
fa ny ratsan-tsoratrao
sy ny sary indray miserana
ampy ahy hatreny an\'erana!
hiantoraka aminao

Eny misy vonikazo
tiako iombonantsika
eny misy fitiavana
hamololona sy hamelana
dia tsy hisy elanelana
manasaraka antsika!

Ataoko feno tambitamby
Ataoko feno teny mamy
ataoko feno fitiavana
ataoko misy hasambarana
atao fitia mangarangarana

dia hisy fifaliana
hahenika ny fiainan-tsika
dia nofiko hono no tanteraka!
fitia tsy misy olakolala
sady ts\'isy mifamolaka
lazao:ENY raha sitrakao!!!

andriary
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
1065 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : andriary
Nampiditra : andriary
Daty : 15/10/2004 11:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144