Fitiavanao nekeko...! (andriary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahoana ianao no tiako?
Nahoana koa no nisy tsimoka naniry
...tany anatinao
Nandresy lahatra ahy,nanjary nofidiko
tsy azoko nolavina,na dia hoe nikiry
...handa tsotr\'izao!

Nahoana no nekeko ny ho raisinao ny tanako
dia nisy ritsoka nanafotra ny vatako rehetra
...toa tsapako ny akasony!
Nanery ny fanahiko hanome zay nananako
hamoha ny fitiavako tsy mety hitoetra
...tanaty torimasony!

Nahoana raha nolaviko!
tsy hikasika ny nofoko ny fitiavanao
Ka na ny lasa na ny ho aviko
nahoana moa raha ts\'isy anao?

...nahoana ianao no tiako?
...nahoana ianao no fifaliako?

andriary
11.09.04
...
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1298 2
Hevitra mandeha
Malalason ( 13/10/2004 15:46)
valiny :
zava-poana raha tsy nisy azy ianao izany tsy tsara raha irery i Adama dia nomena azy i Eva mba ahalalany ny tena fiainana ...!mankasitraka an'se .
R. JO ihany
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : andriary
Nampiditra : andriary
Daty : 11/10/2004 16:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098