I z y(nosoratan'i andriary sy malalason "r.jo"). (andriary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nosoratan’I Andriary sy Malalason (R. JO)

I Z Y

Izy lay nilaozan’ireo namany
Sy izay kely mba nananany
Iny izy manirery!
Ka satriny ny niery!

Izy lay niaritra ny mafy!
sy niezaka nihafy!
niatrika tsy fidiny
nisotro ny ngidiny!

Izy lay niharitra ny fery
Tsy mba nisy nankahery
Toy ny olo-babo an’ady
Na nivarina an’ady!

Izy lay nandrotsa-dranomaso
Nisedra ny ankaso!
Dia nankalain’olon-tiany
Kanefa izy ts’isy tsiny!


Nefa izy tsy nanota!
Nefa izy voasokota

Izy ilay mba nanantena
Fa hitia ampahendrena
Dia nandefitra nangina
Fa finitaky ny tiana

Izy ilay voahenji-dava
Sy nitangoronam-bava
Fa mahantra mahonena
Ka odiana tsy jerena

Izy?
Ilay voatokana handefitra
Sy hitoetra an-tany efitra
No hangina hikombom-bava
Ary hiery hanafin-tava

Nefa izy olon-tsotra
Nefa dia voasotasota!



ANDRIARY & MALALASON (R. JO)
--------
Rohy:
922 5
Hevitra mandeha
NyKanto ( 21/12/2004 12:58)
Nanome vokatra tsara ny fiarah-miasanareo. Mendrika ho deraina!!!
Ahatsiarovako ilay Zanak'olona ilay "IZY". Ny Fitiavana ary anie ry namako isany nanaiky hatramin'ny famantsihana azy tsy hihetsika intsony mandram-pialan'ny fofon'ainy.
Ny Kanto.



andriary ( 23/12/2004 09:47)
misaotra ry Nykanto a!
nanaina ( 23/12/2004 10:07)
maromaroany toy izao!miangavyanareoroalahy mba hanohy fiaraha miasatoy izao!
ankafiziko
monina ( 23/12/2004 10:15)
fihetsehampo mitovy!t@ fomba ahoanany nanantotosanaity r izy mirahalahy?
irariko hisy zavatra hafa koa atao toy izao!sa ahoana ry zareo?
vetsoko ( 23/12/2004 11:15)
mahafinaritra be le fiaraha-miasa e,
miandry ny manaraka izahay dia mirary anareo ahita an'ilay "IZY" tena izy
Malalason ( 23/12/2004 14:43)
slt Daholo ! ezahanay mirahalahy ho tanana ny fiaraha-miasa tsy eto ihany fa @ lafin-javatra maro azo iarahana manao oh : ny Hira sy mozika
Mirary soa antsika mpàka fy manaova fety sambatra daholo e!
Malalason
andriary ( 24/12/2004 05:57)
Eny ary e!inoana fa misy hafa ho avy
NyKanto ( 27/12/2004 15:50)
Mba tianay ho re izany mozikanareo izany...
Ny Kanto
chipie1 ( 30/12/2004 15:31)
tsara fa tohizo e!
ravaomanahirana ( 28/01/2005 18:49)
izy tsy nisafidy ankory
ho tonga eto an-tany
tsy naniry ho oriory
na hijaly sy hitomany!

tiako be ny fiarahanareo miasa ,tohiza fa mampandrotsirotsy anay na mampisento ihany koa!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : andriary
Nampiditra : andriary
Daty : 21/12/2004 11:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0181