Jangobo(ravaomanahirana sy andriary) (andriary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny tonokalo nosoratany
Itarafana ny hafany!
Ka ny ventso nampitainy
sy ny zavatra ilainy
Dia ny hamoakany ao am-pony
Mirakitra irony
Hafatra mafonja
Miaraka manonja
Ny hanina mihombo
Fa izy anie jangobo!

Ny tonokalo nosoratany
Mandrevaka ny hantany
Dia lay olona iray
Efa ela izay
Nanadino ny fahininy
Ny lasa ts\'isy tsininy
Ny fitia tsy mety maty
Fa voafantsika any anaty
Tsaroany izao mitombo
Dia izy io jangobo!

Ny tonokalo nosoratany
Mitahiry ny andro lasany
Fony izy mbola teo
Fony mbola niombo-peo
Nifandray koa ny tanany
Ny hasambarana nananany
Indrisy izy efa lasa
Ny tantara tsy voafafa
Ny alahelo ny olo-tiany
Ka jangobon'ny fahiny

Ny tononkalo nosoratany
zary lasa fasany
mirakotra ny ratrany
hatorian\'ny tantarany
jangobon\'ny diary ...

ny tononkalo nosoratany
mampiseho ny adim-piainana
hikikam-pitarainana
onjan-dranomaso
mitanisa ny ankaso
fa nanohy nanoratr\'izy...,
nisaotra ilay ray mahery
tao am-pony fa tsy very!

eny ny tononkalo nosoratany
manambara fifaliana koa,
fahasambarany tsy toha
i kaky sy neny nanabe
ireo sakaiza maro be
teo foana ho azy!
fa mbola hanohy hanoratra izy

(nosoratan'i ravaomanahirana sy andriary)
--------
Rohy:
1005 3
Mpakafy: andriary - nanaina - monina
Hevitra mandeha
rabona ( 06/04/2005 22:36)
tsara loatra ity tononkalo ity mirary an'i Ravaomanahirana sy Andriary hiarahiasa hatrany
SOBIKA ( 08/04/2005 15:38)
mmmmm
tsy misy amabra tsony fa dia tena lafatra e!
mankahery sy mankasitraka
So
saharoy ( 24/05/2006 08:40)
mahereza,fa tantara izany.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : andriary
Nampiditra : andriary
Daty : 31/01/2005 14:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147