Lasan'ny hafa (andriary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eny an-tratran'olon-kafa izy
vao hoe ahy iny,
Fa taminao teo tsy manitra
f'efa lasa ny fahiny!

Eny an-tratran'olon-kafa izy
va hoe malalako tsy foy
Fa taminao teo tsy hita
Fa fitia mankaloy.

Fa eny an-tana'olon-kafa izy
tsy anjaranao intsony!
Fa tsy nahoanao ny aminy
Dia lasan'olona ny fony!

Eny an-tanan'olon-kafa izy
No mahatsapa fa mitondra
Hafanana lalim-paka,
Ianao ambadiky Sahondra!
(tara)
andriary
--------
Rohy:
1036 3
Mpakafy: andriary - nanaina - monina
Hevitra mandeha
SOBIKA ( 17/02/2005 16:29)
ndryyyyy zany tokoa no hoe teo anlianao any aho no natositosikao an efa lasan'olona ny foko ,efa lasan'olona ny foko vao hoe voromailalanao any aho
IDEALY ( 08/09/2005 03:47)
latsaka mihintsy ny ranomasoko namaky io tononkalonao io
misaotra
tsy ny ranomaso latsaka fa noho le tononkalo
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : andriary
Nampiditra : andriary
Daty : 26/01/2005 15:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141