Mankafy (andriary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izaho mankafy ny tonokalo nosoratany
tsy fantatro ny antony
tsy fantatro ny dikany
Fa taratro avokoa,lay mamy any anatiny
fantatro ny kantony
hitako ny bikany!

Izaho mankafy;ka maniry eny fotsiny
ny lalana nodiaviny
ka tiako ho lalovana!
satriko hifanena,hanofisako ny nofiny
inoako fa tsy ho laviny!
raha ataoko ho fahatsiarovana!

Izaho mankafy,lay tsikiny mambabo hatrany!
miantso ahy hitsiky koa,
hatrany anatiko any!
Ny famindrany milaika,te-hitondra teny mamy
toa tsy manam-panam-paharoa
toa tokana aman-tany

Izaho mankafy,ny tontolony rehetra
raha mety ho tontoloko
na raha azoko indramina
havadika fitia,vonona hisedra!
dia hiraiko eo imolotro
ho kalon\'olo-manina!

Izaho mankafy,ny hanoratra any am-pony!
faniriana mieloelo!
te-hiamoka fitia
mba ho tsimoka sy felana,handravina sy hamony!
zary tsiambaratelo!
Dia izy koa ho mpankafy....

andriary!
--------
Rohy:
934 4
Mpakafy: monina - andriary - nanaina - chipie1
Hevitra mandeha
NyKanto ( 17/11/2004 13:16)
Izaho mankafy ny tononkalonao...
Ny Kanto
yonikafopl ( 18/11/2004 22:18)
tena mahafinaritra ny fankafizanao azy sy ny tononkalony.
Izaho koa mankafy ny tononkalonao. misy 2 zany zahay izao.
monina ( 19/11/2004 15:11)
Izaho koa mankafy ry andriary a!betsaka ny tonokalonao ankafiziko!
nanaina ( 19/11/2004 15:15)
Dia izaho izany ahoana!tsy hankafy aminareo?tsia!zaho hoa m a k a f i l i n g!
andriary ( 19/11/2004 15:27)
Misaotra anareo rehetra mankafy!ianareo koa ankafiziko satria mamaky!
chipie1 ( 31/12/2004 12:10)
tena mankafy mihintsy hihihi misaotra!
ravaomanahirana ( 28/01/2005 18:15)
izaho mankafy ny aingam-panahiny
ny habean'ny fitiavany soritan'nypeniny
tsiam-bara-telo sy ny ahiahiny
tazoko sy tsapako eo amin'ny teniny!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : andriary
Nampiditra : andriary
Daty : 17/11/2004 13:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015