Matahotra aho sao... (andriary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Matahotra sao,babon'ny fitia
mamoly any anatinao,ka ho resy sanatria!
Ny foko anie mbola osa,sady feno tako-pery
Avelako izy mba hatory,fa aleoko izy manirery!


Matahotra aho mantsy sao,raha hifanena eny isika
Ka ho raisinao ny tanako;dia hisy loharanon-driaka
hikoriana any anatiko;hamohafoha ny tantarako!
Tsy tiako hiverina intsony,fa naningotra ny anjarako

Fa ny tena atahorako,dia ny hotiavinao eny amiko!
Sao lay malalanao taloha,italahoanao indramiko
Ka ny anononanao ny anarako,no anembonanao ny aminy
Aoka hatory ny fitiavako,hankamamy ny ankaniny

andriary!
(15/09/04 17h56)
--------
Rohy:
1101 2
Mpakafy: andriary - monina
Hevitra mandeha
bichette ( 16/09/2004 07:12)
andriary > sao dia mijanona ho ahiahy fotsiny ilay hoe "sao lay malalanao taloha italahoanao indramiko ...." fa tsy izany no ao am-pony ?
NyKanto ( 16/09/2004 13:24)
Mankafy ny asa-soratrao aho ... aza dia atao feno tahotra ny fitiavanao raha azo atao na dia hita ary fa rariny sy mitombina loatra ireo antony atahorana izay inoako marina tokoa fa tsy hampiroborobo ny fitia.
NY KAnto.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : andriary
Nampiditra : andriary
Daty : 15/09/2004 16:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142