You are here: home > Vetso

Matahotra aho sao... - andriary

Azo vakiana?

Matahotra sao,babon'ny fitia
mamoly any anatinao,ka ho resy sanatria!
Ny foko anie mbola osa,sady feno tako-pery
Avelako izy mba hatory,fa aleoko izy manirery!


Matahotra aho mantsy sao,raha hifanena eny isika
Ka ho raisinao ny tanako;dia hisy loharanon-driaka
hikoriana any anatiko;hamohafoha ny tantarako!
Tsy tiako hiverina intsony,fa naningotra ny anjarako

Fa ny tena atahorako,dia ny hotiavinao eny amiko!
Sao lay malalanao taloha,italahoanao indramiko
Ka ny anononanao ny anarako,no anembonanao ny aminy
Aoka hatory ny fitiavako,hankamamy ny ankaniny

    andriary!
(15/09/04    17h56)

Hametraka hevitra

Midira aloha