You are here: home > Vetso

Miangatra ny peniko - andriary

Azo vakiana?

Miangatra ny peniko
Namoha manontolony
Ny tao anatiko rahetra
Ny tsy natao ho teneniko

Ny lasa nakalòny
Ny tantara efa dify
Hay , vaoatahiriny ho nisy
Reny rangotra efa tony!

Fa miangatra ny peniko!

Nofohaziny avokoa
Tsy navelany natory
Iriny mba hiverina
Ny fiainana taloha!!!

Ireo tsiambarateloko
Bobongolo sy efa vasoka
Nofongarin'ny peniko,
Hitsiahy ny alaheloko!

andriary




Hevitra mandeha

Malalason (12/03/2005 19:21:32)

slt, ny ahy indray hoe : "manangatra ny tenako"

inona ny malaza e!
Malalason

tia2005 (25/10/2005 12:55:33)

ary tena malahelo b izany ilay lazainao rehetra an!

soari25 (29/05/2006 13:34:06)

tsara ihany ange ny itodiahana ny lasa fa tsy avela ho bobongolo ao e !

Hametraka hevitra

Midira aloha