Mivezivezy ny olombelona (andriary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mivezivezy ny olombelona

Mikaro-zavatsoa
Miasa fatratra tokoa
Mianatsimo mianavaratra
Mitady fiainana tomaratra!

Mivezivezy ny olombelona

Sahy mandao ny fonenany
ahasambatra ny tenany,
Tonga hatrany amparan-tany
te-higoka ranomamy!

Mivezivezy ny olombelona!

Mitady zay hiafenana
Mba handry fahalemana
Ny ho avy sy ny ampitsony
Hanitsiny ny lalan-disony!

Mivezivezy ny olombelona!

Te-handositra ny fasany
sy ny lanjam-balin'asany
ka mikarok'ody faty
tsy te-hanota hatrany anaty!!!

mivezivezy ny olombelona!!

te-hanakatra ny lanitra
te -hahita an'Andriamanitra
dia manakatra ny ambony!
sahy mivarotra.... ny fony!!!

andriary
--------
Rohy:
942 4
Mpakafy: Arimalala - andriary - nanaina - monina
Hevitra mandeha
chipie1 ( 17/12/2004 15:38)
aona zany mivarotra fo?
vetsoko ( 24/12/2004 15:30)
aiza ary no misy fitsaharana e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : andriary
Nampiditra : andriary
Daty : 16/12/2004 14:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159