Niaretany ny mafy (andriary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lavitra ny lalana
Ny lalana nalehany.

Sarotra ny fiainany
Ny fiainana natrehany!

Tendrombohitra mideza
No tsy maintsy nandehanany
Tany feno fandrika
No tsy maintsy nitsanganany!

Namakivaky tany efitra
Ny hafanana tsy nadefitra
Kitoan-tany tomandavana
Hatrery am-para-tazana!

Hetaheta sy hanoanana
No nekeny hiondanana
Havizanana tanteraka
Ny an’ny vatany efa reraka
Ny tselatra sy ria-baratra
No niaraka niraratra
Ny orana nivatravatra
Nosedrainy hatreny an-tratra!

Renirano feno mamba
Niroboany tsy nihamba
Rian-drano mampatahotra
Niampitany tsy nihaotra.
Ny esoeson-teny maro
Ny akora mifangaro
Nolanjainy avokoa.
Fa te-hanana ny soa

Ka raha ela koa ny ela
Ny fotoana tsy namela
Indro izy fa tafita
Fa ny adiny efa vita.


Ny zava-mafy nihatra taminy
Tao ambadiky ny maminy

andriary
--------
Rohy:
1119 3
Mpakafy: nanaina - andriary - monina01
Hevitra mandeha
SOBIKA ( 08/04/2005 15:24)
nandalo aho de nanopy maso indray ; ary tena babo tsy ankisala no liana tsy ankiala.

tena marina tokoa fa tsy mora ny nanjo.
mankasitraka eh
So
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : andriary
Nampiditra : andriary
Daty : 04/02/2005 13:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142