...nifandamoro (andriary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Teny amoron'ny Kamory,no nandrombahanao ny fony
Eny lasanao tokoa,tsy an'olon-kafa intsony
Dia nosoratanao teo, ny anaranao sy ny azy
Voady tototra fitia,tsy aman' antoka na sazy...

Raha fitia nifanolorana,tsy nisy kilalaon'afo...
Sy manaja reo dina tsy hifangaro safosafo
Dia azo antoka fa hisy,hasambarana hitoetra
Fa tsy ho mendrika azy akoryanie,ny fitia mahery setra
.....

Na ny onjan-dohataona,na ny alin-dririnina
Tsy hamafa ny efa lasa,fa tsy maintsy nofihinina
hatrany anatinao,hisy vato iray handoro
Nanamontsana hasambarana,satria 'nareo nifandamoro!

andriary
(15/09/04)
--------
Rohy:
855 2
Mpakafy: andriary - monina
Hevitra mandeha
nanaina ( 15/09/2004 16:41)
Lay fitiavana mahery setra no mahalasa ny saiko ry andriary!azo sainina @ tonokalonao rehetra ny fitiavana anananao...fitiavana tony!tsy mirotoroto!mankasitraka!!!
NyKanto ( 16/09/2004 16:14)
Mifandamoro teo amoron'ny ny kamory !!! kilalaon-teny miampy raki-teny no mampita raki-tsary ... tsara ity tsiaro izay nozarainao taminay ity!
Ny Kanto.
kabatritra ( 09/10/2004 22:38)
Tsara ny rafitra, ny gadona, ny rima. Voafantina tsara ny voambolana nampiasaina. Ny hevitra dia tafavoaka araka ny tokony ho izy.
Mankasitraka andriary.
mampikanto ( 06/12/2004 14:20)
Tena tsara tokoa ilay aingam-panahy Andry a!
Mankasitraka e!

Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : andriary
Nampiditra : andriary
Daty : 15/09/2004 16:30
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0184