Raha ho any ianao.(nosoratan'i ravaomanahirana sy andriary) (andriary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA HO ANY IANAO!


Raha ho any ianao
hiangaviako omeo azy
hafatra an-taratasy
izy hono hoe mbola ho avy
fa mbola sasatra miady

miady ity fiainana ...!

raha ho any ianao
bitsio mangiana izy
fa ny foko dia mitempo
ho azy irery ihany
ny vavako miventso
te ho eo anilany hatrany

fa tsy afaka manoatra!

raha ho any ianao
dia lazao marimarina
fa izy hoe manafatra
ny lokon-danitr'iny
mba ho tonga lafatra
ny fon'ilay tiany!

Mahatsiaro anao foana!

Raha ho any ianao
Dia ilazao ny amiko
fa tsy misy olon-kafa
na anara-mamiko
fa ny azy 'rery ihany
no ananako eto an-tany!

voadiko efa vita izany!

Raha ho any ianao!
dia ity no voan-dalana
vokatry ny foko
Ka tolory an-tanana
dia ny sariko miloko
fitia tsy misy fitaka
araham-betso mamy...

tongava soa mankany!

(ravaomanahirana sy andriary)
--------
Rohy:
1103 2
Mpakafy: andriary - monina
Hevitra mandeha
NyKanto ( 31/01/2005 17:36)
Setriny :

"Vongan-dranomaso"

Bongo mason’ny tomany
Ilay nandray ny hafatrao
Ka rahoviana hono izany
Fa ny tontolony miha-lao ?

Embon-tsiky tsy fahita
Nitsiry teny an-tavany
Efa ela izy tsy nahita
Anao teo an-tratrany

Ny manga kely hitany
Amin’iny lanitra iny
Toa mangarika ny vintany
Anefa mbola iriny

Dia tsy ho sahiko akory
No nijery ilay endriny
Ilay sarinao toa nampahory
Namohafoha ny feriny

Vongan-dranomaso
Nataony an-taratasy
Tsy ho mainan’ny ankaso
No nalatsany hikasa :

„Hisy farany izao
fisarahan-toerana izao...
dia izay ihany ... hoe : tomany
Ny hafany ho anao...”

Ny Kanto Janoary 2004.


Malalason ( 01/02/2005 13:13)
raha ho any ianao dia ilazao izy
fa tsy miova aho, fa volana kakafotra
fa hijanona ho anao,
ho anao irery ihany
mandramaty ho doria...

Malalason
rabona ( 06/04/2005 22:36)
eny rakizy tena manan-taleta tokoa ianareo ,tohizo fa tsara e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : andriary
Nampiditra : andriary
Daty : 31/01/2005 13:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138