Raha toa ka ... (andriary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha toa ka ny fiainana
no ezahana dinihina
Angamba azo alamina
Raha toa ka misy taratra
Anjaran\'ny Rehetra
Mitosaka mahanina.

Raha toa ka misy fotsy
Tsy hanava-bolo-koditra
Ka sahy hanolo-tanana
Ho an\'ny \"mainty\" osaosa!
Ka harodana ny efitry
Ny mahatra sy manana!

Raha toa ka tsy hisy intsony
Ny hantsa-manasaraka
Ny ambany sy ny ambony
Ny mahery sy ny osa
Nifandrirotra taloha
Hampitony ny ambom-pony.

Ny tafondro amam-basy
Tsy ho tefena intsony
Ka ny velona eto an-tany
Hifamela ny efa vitany
Fa samy hifampizara vatsy
Sy hifampizara teny mamy

Dia hatsahatra ny ady!
Ny fitaovam-piadiana
Ho tefena atao angady
Ho soloana fahalemana
Ny herisetra sy forongony
Atao zava-pady!

Ny fitiavan-tena koa
Alevina mandifotr\'olona
Ho soloana Fahonenana
Izao Tontolo izao fitiavana
No hatsangana tokoa
Vohitry ny Fanorenana!

Tsy hisy jamba ho tantanina
Sy malemy ho babena
Fa samy noresena ifotony
Sy nongotana ho fongotra
Tamin\'ny hery nitambarana
Reo rofy sy ny lotony!

...tantara hitohy
(nofinofy ihany)
andriary
--------
Rohy:
1009 2
Hevitra mandeha
SOBIKA ( 19/04/2005 15:14)
tsy tantara mintsy fa aboarambavaka iray izay tsara raha ifampizaraina ary iarahamanonona satri any fivaky ny maro mahery.
mba ho tonga
SOBIKA ( 19/04/2005 15:14)
tsy tantara mintsy fa aboarambavaka iray izay tsara raha ifampizaraina ary iarahamanonona satri any fivaky ny maro mahery.
mba ho tonga paradisa
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : andriary
Nampiditra : andriary
Daty : 11/03/2005 14:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106