Sambatra izy... (andriary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sambatr'izy notiavinao
Fitiavana mangarana
madio tsy misy fitaka
No natolotrao taminy,
Fa tena maminy!!!

Sambatra izy notiavinao,
Fa tafaombina aminao
Ny tontolony rehetra
Dia ny sarobidiny indrindra
tsy hainy hafindra!

Sambatra izy notiavinao
Fa ny ventsony rehetra
Dia efa tao anatinao
Dia ny kalony fahiny
tsy manan-tsiny...

Fa sambatra ianao notiaviny
Fa misy zava-tsarobidy
miafina any anatiny
Fantaro dieny izao
Fa efa anao!

andriary
--------
Rohy:
1221 1
Hevitra mandeha
andratax ( 23/07/2005 09:27)
sambatra tokoa izay mifankatia
fa misaotra anao
Malalason ( 30/07/2005 10:45)
de mirary fahasambarana ho antsika rehetra
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : andriary
Nampiditra : andriary
Daty : 26/01/2005 17:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097