Sangy ve sa sompatra? (andriary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nirefotra ny varatra
Niaraka namafatra
nandratra ny any am-poko
indro izy mitoloko!

Sangy ve sa sompatra?
No nandoro sy nandopatra
hatrany an-tampon-doha
nosesefana longoa!

Sahisahy nietraketraka
sahisahy nampitresaka
ny hazavako niparasaka
nisy haizina nanasaka!

Fa ny lahatra hafahafa
no nandalo nanatsafa
Ka ny vitsy mba nananako
no nalaina teny an-tanako!

Dia iza loatra moa ianao
no dia sahy mihintsinjao
ka manao zara miangatra
Amin ny voatavo tsy mifandraka?

andriary
--------
Rohy:
1023 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : andriary
Nampiditra : andriary
Daty : 14/10/2004 14:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152