Tamberin-dasako! (andriary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy niverina ny lasa ,
Nandrasako efa ela
Lasa tsy namela
Ny sarisarin’ny fahiny
F’izay ny faniriany

Ny hafatr’eritreritra
Tinosiky ny feritra
Mitsiaro ny tantara
Angamba voarara
Tsy hitapody intsony
Na izay ny sitrapony

Fa izaho niandry foana
Ny hiverenan’ny fotoana
Ny doron’ny fangaika
Tanatiko efa maika,
Miandry ilay nandrasako
Dia ny tamberin-dasako!

andriary
--------
Rohy:
1275 4
Mpakafy: nanaina - monina - tia2005 - andriary
Hevitra mandeha
proost ( 21/04/2005 12:36)
mahavariana ahy loatra ny tsilalaon-teninao mandra-mpihaona eee!!
tia2005 ( 04/08/2005 14:15)
tiako ilay izy ê! za koa miandry
soari25 ( 19/05/2006 09:44)
"miandry foana ny hiverenan'ny fotoana"
tena marina izany e !
mika06 ( 28/08/2006 09:53)
... tsy misy mahasolo ilay tiana! mahereza, hoy ilay namanao (mi12)
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : andriary
Nampiditra : andriary
Daty : 18/04/2005 12:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147