Tany ts'isy tonokalo (andriary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Io fa maina!
tany karakaina!
ny bainga tsy misy firy
ts'isy maintso mba maniry!
Fa tany ts'isy tonokalo!!!
zary nanam-pahavalo!

Ny ravikazo ndreo miraraka
ny fihavanana nisaraka
Ny kalokalo koa nangina
tsy nisy rano nikoriana
Fa tany ts'isy tonokalo!!!
misaringotra taharo!!!

Ndreo fa mikorontana!
mifamaly bontana!
fa tsy misy fitiavana!
eny hatramin'ny solon-kavana!
Fa tany ts'isy tonokalo
tsy mampiraika ny mandalo!

Setrasetra no hiafarany
troki-nify sy tomany!
Ny fon'olona efa vato
Manao ny ratsy tsy miato
Satria tany ts'isy tonokalo!
zary aretina nialo!

andriary
--------
Rohy:
1055 0
Hevitra mandeha
vetsoko ( 10/12/2004 19:31)
aza misy anie izany
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : andriary
Nampiditra : andriary
Daty : 09/12/2004 14:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142