Tontolo hafa (andriary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa injay fa nisy
Rivotra nitsoka ,
Avy any andrefana
Naloaky ny alina
Tanaty rano lalina
Dia nisy hazavana
Tsy niandry ny maraina
Nahenika ny tany
Nitondra sarin-kafatra
Nanaloka ny lafatra.

Rehefa njay nisy feo
Tao anaty haizim-pito
Nifoha tanaty heriny
Nialoalo mafy
Narahin’erika nifafy!
Dia nisy sarisary
Endrika sy bika
Nandindona ny volon-danitra
Manao dingan-dava
Hanangana ny rava

Ny tany karakaina
Namoaka ny maintsony
Hisarin-jaridaina
Namoly ny tontolo
Ka samy niova volo
Ny hazo nokapaina
Niverina ifotony
Io fa midoroboka.
Manakatra ny lanitra
Misaotra an’Andriamanitra

Ny fonenana efa rava
Ts’isy rindrina nijoro
Montsana sy torotoro,
Io fa misy tanàna miorina
Mankalaza ny namorina!
Ny biby tany an’ala
Taloha tsy nifankalala!
Nifampiantsoantso anarana
Ny zanak’ondry sy ny bera
Nihavana efa ela.

Dia nisy hazavana
Nitsinjo ny olombelona
Narahin-diavolana
Nilaozan'alin-taona
Rifatra nimaona
Dia nisy Fitiavana
Avy tany an-dranomasina
Naloaky ny lalina!
Nahenika ny tany
Ka sambatra aok'izany!

andriary
--------
Rohy:
Sokajy : Tontolo iainana
1505 0
Hevitra mandeha
jentilisa ( 25/04/2005 14:16)
Araka ny fahalalana napetraky ny Ntaolo: ny rivotra raha vao avy any andrefana eto Imerina aloha no fantatro dia ho avy tsy ho ela izay ny orana. Efa notsapaiko io ary ekeko fa marina @ ankapobeny. Moa fantatry ny mpanoratra ve izay?
nikopol ( 26/04/2005 13:38)
mafinaritra
soari25 ( 29/05/2006 11:30)
tsara ka ; mazotoa manoratra foana !
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : andriary
Nampiditra : andriary
Daty : 18/04/2005 12:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141