You are here: home > Vetso

Tsiahy lalina - andriary

Azo vakiana?

Misy feon\'aloalo manako hatrany an-dohasaha
Mitsiahy ny tonon-taona , rinangotry ny nimaona
Miantsy volon-danitra : halahelo sy hisaona
Ny tantara fahagola , vinilan\'ny tamberina!

Misy feo tsy aman-teny , nanonga ny eritreritra
Maminany tara-bolana  misarin-dokon-javona iny
Tinaran\'ny andro lasa , mitahiry ny fahiny
Dia ny vetsoko tsy rongatra ; miampoka tsiahy lalina!!!




Hametraka hevitra

Midira aloha