Tsy...lahatra (andriary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ekeko hoe anjara
raha izao no tantara
tsy maintsy hozakaiko
notakiana ho efaiko!

Tsy inoako koa hoe lahatra
na nafafy mba hifahatra
hatrany anaty rako
ireny lalana nombako!

Sarotra amiko ny hino
na minia manadino
fa ny lasa sy nyho aviko
noterena tsy ho laviko

Fa ny zavatra mitranga
na ny feno na ny banga
dia noho ny safidiko
ho an'ny tombabidiko!

tsy ny lanitra tsy hitako
no tompon'antoky ny ditrako
tsy ny sarin'ny tantrako
No lazaina hoe: anjarako

andriary
--------
Rohy:
1033 0
Hevitra mandeha
gasyjean ( 29/01/2005 20:03)
Marina mihintsy ny voalazan'ny tononkalo
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : andriary
Nampiditra : andriary
Daty : 14/10/2004 14:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.177