Vonikazoko mahantra (andriary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indro atolotro anao,lay foto-bonikazo
Raiso ka koloy aza avelanao halazo
Iny sisa mba fananako,hany sisa mba anjarako
tamin\'iny tono-taona,nanjifan\'ny tantarako

Indro atolotro anao,ento ka koloy tsara
aza mba odian-tsy hita,aza avela hitsirara
voleo an-tany lalina,mba haniry hamela-dravina
dia inoako fa hamololona,zany anjarany aza lavina!

Indro atolotro anao,vonikazoko makoka
tinaizan ny fanala teo an-jaridaina tonta
Zara raha nisy felana,azo ongotana afindra
ho eo an-jaridainanao no mendrika azy indrindra!

Indro atolotro anao,zao no hafatro aza hadino
mila tonom-bavaka izy,tonom-bavaky ny mpino
ka raha ho avy ny ampitso,dia hisy felana haniry
hitondra aina vao,sy hafaliana mankadiry!

Indro atolotro anao,iantsao tonokalo
zay ny zavatra mba tiany,ampanakoy an-daloalo
Dia tonony moramora,reo an-dalan-teny maminy
ka araho tonokira,hampangina ny tomaniny!

Indro atolotro anao,ty vonikazoko mahantra
tolory tambitamby,mila tsiky sy hantahanta
ampy mantsy rony lasany,rony ritsoka nangidy
ratram-po tsy mety sitrana,ho tsiaro sy tadidy

Indro atolotro anao,ka ho fantarinao ny aminy
fa torotoron\'antsonjay,eny hatramin\'ny akaniny
trotraky ny adin-tsaina,naepaky ny lasany
zary momoka an-korany,ny fiainana nandrasany

Indro atolotro anao,eny ho anao irery
sisa hany fanafody,hanasitrana ny fery
fa raha anaran-kafa kosa,tsy hainy antsoina intsony
fa ny akaikinao ihany,no hanasitrana ny fony

Indro atolotro anao,ka ao anatinao ny FO
no zaridaina honenany,iombonan-tsika roa
Ka raha mby ny andro iray,dia njay fa tafatambatra
ho vonikazontsika roa,\'lay nahantra tonga sambatra

andriary
--------
Rohy:
1274 1
Mpakafy: nanaina
Hevitra mandeha
nanaina ( 06/09/2004 10:56)
mampahatsiaro tantara iray ity tonokalo ity!!!mazotoa e!
mampikanto ( 06/09/2004 14:33)
Manahoana i Andry.
D tena lalina izany asa soratra izany a!
Toa tsy hita intsony a!

Mazotoa a!
Kanto tsy manadino anareo e!
crrlanto ( 07/09/2004 21:47)
tsara ilay tononkalo,sady izao, ny kanto dia tsara foana. mMahay mizara fitiavana ny mpanoratra eto,na dia fitiavana efa malazo aza dia haina tsara ny manolotra izany amin,ny famolahany ny teny malagasy.Tohizo
crrlanto ( 07/09/2004 21:48)
tsara ilay tononkalo,sady izao, ny kanto dia tsara foana. mMahay mizara fitiavana ny mpanoratra eto,na dia fitiavana efa malazo aza dia haina tsara ny manolotra izany amin,ny famolahany ny teny malagasy.Tohizo
mampikanto ( 08/09/2004 07:41)
Andry,

Dia tena naveriko novakiana indray ila asa soratra fa tena sarotra mihitsy tokoa v ny mamboly "Fitia".
Asa lahy fa dia aingam-panahy tsy laitra mihitsy angamba no nanosika anao hanoratra an'io a!
Mipoatra tsy takatry ny fisainana tokoa ny aingam-panahy e!

Mazotoa hatrany akia manoratra a!

Tsara fa tohizo a!
Kanto
yonikafopl ( 08/09/2004 19:10)
andriary, mahafinaritra ilay tononkalo, tsrovy fa mahasoa kokoa ny manolotra noho ny mandray.
lalaina2002 ( 09/09/2004 10:31)
Tsara tokoa ilay tononkalo indrindra moa raha somary natao fohifohy, manan-karena tsara ny voam-bolana tsirairay amin'izay.

Tohizo e
bichette ( 17/09/2004 07:38)
Nanontany ny hevitro moa ianao dia tsara dia tsar tokoa ilay izy. Manana tononkalo aho misy resaka voninkazo ihany koa ato.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : andriary
Nampiditra : andriary
Daty : 06/09/2004 10:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142