You are here: home > Vetso

Vovon-javona - andriary

Azo vakiana?

Tanaty eritreritra ,
Mirango ventsoventso
Natosiky ny hanina
Ny sarin-drahona nanentso
Misy sary hafa loko
Misalotra ny volon-danitra
Misikina ny tsiahy
Ny tonon-taona dinify
Any ambadiky ny maily
Nefa mbola tazako
Anaty vovon-javona!

Tara-bolatsinana
Mifoha mamatonalina
Narahim-pahanginana
No itarafako ny aminy
Siringotry ny sento
Am-panahy te-hitafa
Manina ny embona!
Ny kintana mibanjina
Ny foko safotr’ontsa
Ny endriny io fa hitako
Anaty vovon-javona!

andriary

Hevitra mandeha

SOBIKA (19/04/2005 15:09:13)

mmmmmmmmm
hum hum

nikopol (26/04/2005 09:53:25)

tsara andriary a

proost (07/08/2005 09:27:47)

kanto loatra ka mahereza e!!

soari25 (19/05/2006 09:42:42)

mahafinaritra

saharoy (24/05/2006 08:33:33)

Iriko ho tonga ilay maraina.
Dia ilay marainam-baovao.
Tsy ho ao anaty vovon-javona intsony no ahitanao azy fa hibaribary ny marina.
izay maharitra...

Hametraka hevitra

Midira aloha