Sangisangy (Anj'art Nantenayna)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny sangisanginao , toa lasa rakitra ato ampoko, tsaroana lava izao, toa tsy mety miova loko

Ny hanihaninao , toa efa sary ato antsaiko , mahatonga ahy hitalao , raha sendra , tsy anilanao

Ireny vazivazy ireny , lasa ritsoka ao antsaiko, ireny latsalatsa ireny , no manjary mamelona ny aiko

Mahagaga ilay fitia, valalanina ny saina, tsy hoe ankory sanitria, mitoreo ka mitaraina

Fa hafa ihany ilay tiavina , sady tena avy ao ampo, satria tsy aiko holavina, ianao tia ahy tokoa


Talata 27 febroary 2018
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
814 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Anj'art Nantenayna
Nampiditra : Rantsanaambodiala
Daty : 27/02/2018 20:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151