Ambony (Antso's tafa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AMBONY
Raha ambony matikambo;
Mihevi-tena ho tilikambo
No tsy mahay mijery ambany
Fa ny ambony, ambony ihany

Dia tsarovy, tadidio
Fa ho avy ny tadio
Hivimbin-tsento sy tomany
Ka ny ambony ho lasa ambany

Fa ny ambony tsara fo,
Tia manondrika ny loha
No ambony tsara orina
Ho ambony tsy azo esorina

Raha mbola eto an-tany
Dia tsarovy hatrany hatrany
Fa n'inona n'inona mitranga,
Dia mety hiova ny saranga!
Antso's tafa (Bocassa)
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
305 2
Mpakafy: Bocassa - sanana
Hevitra mandeha
sanana ( 07/09/2007 13:21)
sur less bocassa a! mahay mivetso be là!
tiaraj ( 31/05/2008 14:31)
Tandremo ary sao lasa ambony tsy mahay mihevitra ny hafa e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162