Resy aho anio (Antso's tafa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Resy aho anio,
Resy tsy tafarina?
Ekeko tsy azo lavina!
Ekeko am-po madio
F'efa resy aho anio

Avelao aho mba hilaza
Na anio fotsiny aza
Mba hibitsika mangina,
Hitanisa fahoriana

Fa fahoriana maromaro,
Alahelo mifangaro,
Sento-po tsy azo ahena,
'Zay midika ho faharesena

Ny fahareseko anio anefa,
Dia faharesena voafetra
Raha anio no mivarina?
Rahampitso aho d'efa hiarina!

Satria inoako ato am-po,
Fa mbola ao lay Ray Tsitoha
Ka raha resy aho anio,
Ny maneso mba fadio!
Antso's tafa (bocassa)
14/07/07
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
538 1
Mpakafy: sanana
Hevitra mandeha
sanana ( 07/09/2007 13:20)
milay b less le conclusion!!! tiko be le "ny maneso mba fadio" hummm
saun ( 13/12/2007 07:00)
tena mandona be eh! indramiko mihintsy fa resy aho anio!!!
tiaraj ( 08/02/2008 19:29)
Resy ianao anio fa ny ho avy mbola ho efa ka reseo re rahavako!
tiaraj ( 31/05/2008 14:36)
Ny resinao anie no maro, ka ny vetso aza afangaro,
Fa raha ianao izay tsy naneho ny hany tao ampo
Hadisoako ve raha ianao izay nifoha
Vao nahatsapa fa maro no efa very?
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136