Fitia mahery vaika (Antso's tafa)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitia mahery vaika,
Tsy takona afenina
ny ratram-po anaty
Ezahina harenina
vao mainka toa tsy tanty

Ny fidoboky ny foko
No hany feo reko
Toa rivotra mifofo
Mandrava izay jereko

Ny vetsovetsom-poko
Afeniko tsy hipoitra
Ny rofy sy toloko
Vao mainka toa mivoitra

Fa hovitra mahery
manetsika ny fo
Baiko toa manery
ny saiko mba hifoha

Raha fitia diso toerana?
Hozoniko ho faty!
Raha fitia indray miserana?
Tsy izany no hampitapy!

Saingy fitia mahery vaika
tsy resiko hovonoina
Fitia mampiraika
Sarotra soloina!
Antso's tafa
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1444 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Antso's tafa
Nampiditra : bocassa
Daty : 18/08/2009 15:29
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014