Noelinay fahiny (Antso's tafa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Noelinay fahiny
Ny noelinay?...
Lanonana sy fifaliana,
Fa herinandro mialoha,
Eny herinandro ao ariana,
Dia voky hatatra hatrany
Tsy miala eo raha tsy lany
'lay cotelette iray vilany!

Izany eo ihany fa....
Ny belote sy rami
Afandimby isanandro
Labiera,toaka,whisky
Tsy avela hitanin'andro!
Fa lahasa mila efaina ê,
ny misotro sy miloka
Ka na hariva na maraina,
tsy mitsahatra migoka!

Herinandro mialoha,
dia efa vonona ny gisa.
Ka ny maraina vao mifoha,
dia raharaha ny manisa:
Iray...roa...telo,
Fa telo mantsy hono,
no hoketrehina sy atono!
... Izany no noelinay fahiny
Diso izany ankehitriny!
Antso 's tafa
16-11-07
--------
Rohy:
Sokajy : Fety
298 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0277