Ampindramo ahy (Antso's tafa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ampindramo ahy
Ampindramo vetivety,
Ampindramo fa haveriko
Ampindramo raha mety
Hanadiovako ny feriko

Fa tako-perin'ny fiainako
No andrasako eto izao
Mba henoy ny fitarainako
Mba valio raha azo atao

Fa efa tena mankalao
Izaho aza efa fanina
Ka ambarako aminao:
Ny fiainanao no tiako hindramina!

Dia ho tsoriko ny teniko:
Ampindramo fa haveriko!
Antso's tafa(Bocassa)
17-07-07
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
409 0
Hevitra mandeha
cute ( 11/01/2008 03:52)
tiko be ilay tononkalo, fohy nefa mazava, mazotoa hatrany oh!
tiaraj ( 20/01/2008 22:05)
Tonokalon'olona tena tia an! Mba an'iza ary ireny? Biz'oroka e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146