Raha hametraka fanamby... (Antso's tafa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha hametraka fanamby...
Raha te hametraka fanamby
Fadio re ny sangisangy!
Ny hakiviana sy taraina,
Alaviro fa tsy ilaina!

Fa raha hametraka fanamby
Amafiso re ny andry
ho tohan'aina hizakàna
ireo olana mafana

Ny fametrahana fanamby,
dia mitaky herin-tsandry
sy fisaina vaovao,
Tena hafa tsotr'izao!

Koa raha hametraka fanamby,
Mitsangàna, aza miandry
Raiso ny tandrify anao,
Miasà dieny izao!

Fa raha tanterakao ireo,
dia hohitanao tokoa avy eo,
Fa ho tontosa sy ho hefa
Ny fanirianao rehetra!

Ry tanora, mijoroa
Atrakao re ny loha!
Antso's tafa (Bocassa)
08-01-08
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
316 1
Mpakafy: Bocassa
Hevitra mandeha
tiaraj ( 20/01/2008 22:04)
Mba asio dédicace ry Iantso a!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144