You are here: home > Vetso

Resy aho anio - Antso's tafa

Azo vakiana?

       Resy aho anio
Resy tsy tafarina?
Ekeko tsy azo lavina
Ekeko am-po madio
Fa efa resy aho anio

Avelao aho mba hilaza
na anio fotsiny aza
Mba hibitsika mangina
hitanisa fahoriana

Fa fahoriana maromaro
Alahelo mifangaro
Sento-po tsy azo ahena
izay midika ho faharesena

Ny fahareseko anio anefa
dia faharesena voafetra
Raha anio aho no mivarina?
Rahampitso aho dia efa hiarina!

Satria inoako ato am-po
fa mbola ao ilay Tsitoha
Ka raha resy aho anio,
ny maneso mba fadio!
                                     Antso's tafa

Sokajy : Alahelo

Hevitra mandeha

Aingankalo (21/08/2009 07:24:48)

asio tsiky iany e!

mpiserasera (21/08/2009 08:01:51)

Resy ianao androany
Rahampitso hitomany
Fa tsarovy hatrany
Fa mangidy sy mamy
No mifandimby eto an-tany

Mysento (21/08/2009 12:04:21)

Raha resy aho anio.
Ny maneso mba fadio.

felandefona (03/09/2009 13:40:12)

Raha anio aho mivarina
Rahampitso aho dia efa hiarina
....izay ilay hoe manorana androany rahampitso mbola ho maina

nambinelise (25/10/2017 08:13:35)

Milay e! resy aho anio dia aleoko mitraka,fa rahampitso aho mety ho tompon-daka ok

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Antso's tafa

Nampiditra : bocassa
Daty : 18/08/2009
Mpamangy : 1053
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Ampindramo ahy
Fitia mahery vaika