Hetraketraky ny misy (Antso's tafa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hetraketraky ny misy

Ambara ho mangidy
Nefa sarobidy
Ny miaina eto an-tany,
Moa diso ve izany?

Etsy sy eroa
Loza tsy mitsahatra
Mandrotika ny fo
Sao kosa efa lahatra?

Ny holatry ny omaly
Vao mainka ahariharin'
ny kaikitry ny nenina
Toa mora raha tenenina!

Hetraketraky ny misy,
Sa anjara sy tandrify
ny fiainantsika ety
Toa mikorisa, mikodia?

Ny ampitso kosa angamba
Aleo tsy arangaranga
Ndrao akifiky ny misy
handalo ka hidify!

Fa ny ditran'ny tontolo
no hetraketraky ny misy...

Antso's tafa(bocassa)
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
215 1
Mpakafy: achrafhanna
Hevitra mandeha
tiaraj ( 12/11/2008 07:08)
Raha miantsy anao ny olontianao
Aza odiantsy hita noho ny ambomponao
Ampio izy raha tratran'ny herinao
Fa ny kaikitry ny nenina no ho anjaranao
Raha toa tsy omba azy ianao
Eny, ny foko mbola anao
Fa ny saiko sy ny vatako no azy
Domoinalove ( 23/11/2008 15:20)
Marin zan e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147