Ampindramo ahy (Antso's tafa)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ampindramo ahy
Ampindramo vetivety
ampindramo fa haveriko
Ampindramo raha mety
hanadiovako ny feriko

Fa takom-perin'ny fiainako
no andrasako eto izao
Mba henoy ny fitarainako
ka valio raha azo atao

Fa efa tena mankalao
Izaho aza efa fanina
Ka ambarako anao:
ny fiainanao no tiako hindramina!

Dia hotsoriko ny teniko:
Ampindramo fa haveriko
Antso's tafa
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1056 0
Hevitra mandeha
Mysento ( 19/08/2009 10:23)
Alaivo,tehirizo,aza haverina.
rhina ( 24/08/2009 11:48)
maty a ra lasanao ny fiainako fa tsy aleonao angatahana fa tsy indramina d @ zay anao mints
felandefona ( 03/09/2009 13:35)
aza mindrana fiainan'olon'izany ny anao ihany tazomy fa raha toa ka manorana ny andro androany rahampitso mbola ho maina ihany....
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148