DONAM-PO (BerthiN AinA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy nampoiziko tampoka
Fa ianao no nahavita izao
Tonga aho dia tsy nifantoka
Vao naheno hoe hisaraka amiko ianao

Nangoritsana mafy aho tato an-trano
Fa nandona ny foko zany teny
Ny masoko aminio manganohano
Sady ny vavako nangeniheny tsy nahateny

Manotany anao ary aho hoe inona no tsy ampy
Fa hiezahako hofenoina arak'izay azo atao
Nefa ianao ty toa mangasihasy
Tsy mamaly ny fanotaniana apetraka aminao

Sahala amin'ny latsaham-baratra nge aho
Nitenenanao hoe tsika hisaraka
Tsy mba nety tsapanao mintsy ny fahoriako
Indrindra moa fa raha marina tokoa lay hoe tsy hiaraka

BerthiN AinA
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fitiavana
1080 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : BerthiN AinA
Nampiditra : berthinaina
Daty : 07/05/2016 05:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145