VOASOLO AHO (BerthiN AinA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa nandrasako hatr'izay
Fa ianao no hahavita izao
Tampoka tsy nisy na dia ora iray
Dia indro fa voasolo aho

Anio daty tsy hovoafafa ato ampoko
Fa andro lehibe nanarianao ahy
Na dia ho maro aza ny ho tomany sy hotoloko
Dia tsy hovoafafa ny tantaranao sy ny momba ahy

Voasolo tokoa aho ankehitriny
Fa avy ilay nandrasanao
Eny e!aho ts hanome tsiny
Fa hifona taminy ratsy vitako aza hatao

Fadisoana kely monja mantsy
No nahatonga antsika toy izao
Notrobarana lelan'Antsy
Ny fitiavantsika sy ianao

Tsy hanozona anareo ny foko
Fa mbola ho tsaroanao aho indray andro any izay!
Mety tsy hozakako mantsy izao ka hanimba ny foko
Dia iny aho hifindra monina any aminy mandrak'izay!!
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1123 1
Mpakafy: berthinaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : BerthiN AinA
Nampiditra : berthinaina
Daty : 17/04/2016 08:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144