You are here: home > Vetso

Firenena Mandroso - Cat

Azo vakiana?

Firenena mandroso no mba handrandraina
Nefa saina maloto no entina sy zakaina
Firenena manao ny marina sy ny rariny no irina
Mba hanatontosa izato faniriana

Fa tena te hiaina fiadanana marina ve??
Fa toa loto etsy sy eroa mameno ny saina
Feno kolikoly sy mba miseho mirehareha
Ka simba ny fitondran tena sy ny fomba fiaina

Maro ny mpanana mievin tena hoe Mpandresy
Fa tadidio ngeh fa kodiaran tsarety ny fiainana eeee
Androany enao maharesy rapitso enao mety ho resy
Tsarovy fa ny hafalianao mety lasa fijaliana

Tanjona iray ny mba androsoan ity firenena
Dia ovay aloha ny toe tsaina sy ny fitondran tena
Fa izay no tena ilaina sy andrandraina
Dia tonga ho azy lay fiainana lavim pitaraina


Hametraka hevitra

Midira aloha