You are here: home > Vetso

Ny fanantenana - Cat

Azo vakiana?

Ny fanantenana no hany mba hananana
Rehefa injay hahilikiliky ny hafa
Dia tsy mba kivy fa toa vao mainka miadana
Satria nahita namana tsy mba miafahafa

Ny sisa azo atao raha mbola velon aina
Dia ny manantena hatrany hatrany
Satria ny olombelona manana tanjona rehefa miaina
Dia ny hahatratra izany tanjona izany hatramin ny farany fara fofon 'aina

Sarotra ny manantena
Rehefa tsy misy fahombiazana iny
Dia tsy mitombo fa miha mihena
Indrindra fa ny akivina tsy mety lany iny

Mora tenenina fa sarotra iainana ny fanantenana
Tsy afa misaraka amin ny  finoana sy ny fitiavana
Ka ny fanantenana tsara indrindra
Dia ny fanatratrarana ny tanjona iriana voalamina sy voarindra

Sokajy : fanantenana

Mombamomba

Mpanoratra : Cat


Nampiditra : katrynah
Daty : 01/02/2020
Mpamangy : 418
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Izany ve? ...
Le Regret
Nenina
Firenena Mandroso
Vavaka
Mon beau pays
Ry Tanora ...
Tanora
Ny Kanto Malagasy
Ny Marary