Vavaka (Cat)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mivavaka aho anio Ry Tompo be fitia
Ampianaro ny foko hino Anao ho doria
Satria maro ireo fikasana mila Anao
Koa matoky aho fa mitantana Ianao

Na dia mpanota tsy mendrika
Moa ve narianao sa tsy tianao?
Tsia, tsia fa mbola nataonao nitovy ny endrika
Ka nafoinao hatramin ny fara fofon ainao

Noraisinao tsy misy fisalasala
Ity mpanota sy zanak 'adala
Ka narotsakao taminy ny fahasoavana amam -piadanana
Dia mbola novonjenao tamin ny fo feno fitiavana

Koa midera sy misaotra ary mankalaza Anao ry Ray
Fa faly ny fo noho ny fitiavanao anay
Dia tsy maintsy hanompo anao izahay
Hatramin ny fahataperan ny fara fofon 'ainay
Amen!!!
--------
Rohy:
Sokajy : tsara - Vavaka
758 1
Mpakafy: katrynah
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Cat
Nampiditra : katrynah
Daty : 29/03/2020 20:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0189