Ny Marary (Cat)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zo an ny marary ny hahita fitsaboana
Toy ny zo an ny ankizy ny mianatra ihany
Indrisy anefa vitsy amin ny marary no mirona
Mankany amin ny doctera rehefa misy marary any anatiny any

Mampalahelo fa matetika very ny marary
Miandry izay hahafatesany sisany
Satria tsy misy mpiahy ny sasany
Ka mitombo aretina hatrany hatrany

Ny marary mila fanantenana
Mba tsy ho very fanahy mbola velona
Mba ho tojo lay fiadanana
Sanatria very tokoa raha olombelona

Ny marary dia tsy tokony hambaniana
Ny mpanakarena raisina fa manam bola
Ny mahantra ahilikilika hatao fanahiniana
Satria tsy misy mpahafantatra, tsy misy ny vola

Mila olona matotra hanampy azy ireo
Na doctera na infirmiera na vehivavy na lehilahy
Dia afaka hampitraka ny marary tsy mba ho leo
Amin ny fiainana mandalo tsy tokony hampisy ahiahy

Hafatra ho anao tanora izany
Ho an izay liana amin ny resaka fitsaboana
Satria mitady anao ireo marary eto ambony tany
Hanampy sy hitsabo tsy akijanona
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana - Alahelo - fiainana
604 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Cat
Nampiditra : katrynah
Daty : 24/01/2020 19:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145